Fandriampahalemana

Alakamisy-Anativato Manao ny ataony ny dahalo, very hevitra ny fokonolona


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Hatreto aloha dia mbola resabe ny fandraisana fepetra ataon’ny fitondram-panjakana foibe amin’ny fitandroana filaminana eny ambanivohitra. Mandry tsy lavo loha ary mitaintain-dava ny mponina amin’ny asan-dahalo.

 

 Ny mahagaga sy mahalasa saina ny mponina ambanivohitra dia toa mivangongo ao an-drenivohitra loatra ny mpitandro ny filaminana satria raha vao misy hetsika miseho any dia an’aliny ny mpitandro ny filaminana indray hahetsika. Tsy misy miraharaha kosa ny tantsaha fa faty olona lava no hiainan’ny mponina. Raha ny nitranga tao amin’ny kaominina Alakamisy-Anativato, distrikan’i Betafo dia niaina tao anaty fanafihan-dahalo ny mponina tao anatin’ny tapa-bolana satria in-droa niverenan’ny dahalo ny tanànan’Ambalakatra. Nambaran’ny mponina fa vao amin’ny 9 ora alina dia efa tonga ireo dahalo manafika. Manodidina ny 20 ny andiany amin’izany. Toy ny mahazatra, mampihorohoro amin’ny poa-basy ireo dahalo rehefa miditra ny tanàna. Mpivarotra sy mpanangom-bokatra no lasibatra tamin’io fotoana io. Lasan’izy ireo ny vola rehetra tao an-trano nitentina 4 tapitrisa ariary nokasaina hanangonana vary. Tsy vitan’izay fa nataony takalon’aina ny vadin’ny tompon-trano ka rehefa dify lavidavitra ireo jiolahy vao navotsotr’izy ireo ilay ramatoa. Niezaka niantso ny zandarin’i Betafo ny mponina tao an-toerana, saingy tsy tonga mihitsy ireo. Nialoha an’io dia omby niisa 4 no lasan’ireo dahalo tamin’ny fanafihana, herinadro nialoha an’io. Nambaran’ilay renim-pianakaviana fa tadidiny ilay lehiben’ny jiolahy nibaikobaiko ireo namany, satria efa mpiditra ao an-tranon’izy ireo ihany. Miezaka manao fiambenana ny vatan-dahy saingy tsy mahaleo ny fitaovam-piadiana entin’ireo dahalo izy ireo ka miaro ny aina no azo atao.

 Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT