Fandriampahalemana

Alakamisy Ambohidratrimo Tovolahy iray tratra nivarotra héroïne


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Tovolahy iray no tratra nivarotra héroïne teny Alakamisy Ambohidratrimo ny 22 aogositra teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro.

Fantatry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP fa misy tovolahy iray mivarotra rongony mahery vaika eo amin’ny tobim-piantsonana Alakamisy Ambohidratrimo akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Total. Nanao ny vela-pandrika rehetra ny Polisy ka tra-tehaka teo ity tovolahy ity izay vao 33 taona monja. Nandritra ny fisavana azy no nahatrarana “heroïne” 08 fonosana teny aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ity farany nanaovana fanadihadiana. Fantatra ary fa 3 volana izay no nivarotany ity zava-mahadomelina mahery vaika ity ary efa misy olona mpanatitra azy mankany aminy. 25 isa no alainy isan’andro ary amin’ny 02 ora folakandro dia efa lafony avokoa izany. Mitsindrona izany zava-mahadomelina izany koa ny lehilahy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT