Fandriampahalemana

Akamasoa Andralanitra Nampitomboina ny isan'ny polisy miasa eny


  • Talata 12 Mey 2020

Manoloana ny fampiharana ny famehana ara-pahasalamana eto amin'ny firenena dia nidina ifotony teny amin'ny Akamasoa Andralanitra ny minisitry ny

 

 

 

 

filaminam-bahoaka sy ny Tale jeneralin'ny polisim-pirenena nijery ny fomba hiarovana ireo vahoaka amin'ilay valan'retina "Covid-19" sy hanamafisana ny fandriam-pahalemana eny an-toerana. Tapaka tao anatin'izany ary fa ankoatra ny paositry ny polisy efa misy ao an-tanàna dia ampiana iray hafa indray izany hiarovana ireo mponina amin'ny tsy fandriam-pahalemana. Hampitomboina ihany koa ny polisy misahana ny hery vonjy taitra izay hanao fisafoana amin’ny andro sy alina. Hijery manokana ny fampiharana mahakasika ny fihibohana ary hanenjika ireo mpanao ratsy sy ireo olona tsy manara-dalàna koa ny polisy. Hita ihany koa fa misy ny herisetra hataon'ny olona sasany amin'ireo zaza eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Tonga teny an-toerana koa noho izany ny polisy misahana ny herisetra mianjady amin' ny zaza tsy ampy taona sy ny olona marefo nitondra fanentanana sy fampianarana ny mponina mahakasika izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT