Fandriampahalemana

Aigle noir, Ankasina, Isotry… Mpanendaka rain-dahiny iray no tratra


  • Zoma 09 Jolay 2021

Lehilahy mpanendaka raindahiny no tratran’ny polisy teny amin’ny Tetezan’ny Jesosy mamonjy 67 ha ny 06 jolay lasa teo.

 Raha araka ny fantatra dia efa tena diso havanana loatra amin’ity asa ratsiny ity io lehilahy io. Polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana teny an-toerana no efa nanara-maso ireo mpanendaka saika hanao ny asa ratsiny teo amin’ny arrêt bus 119 - 67 ha. Miisa 03 izy ireo no saika hanatanteraka izany ka ny iray tamin’izy ireo no voasambotra fa ireo roalahy namany kosa tafatsoaka. Niaiky ny heloka nataony ity jiolahy nandritra ny fanadiadihana natao taminy .Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka izy ary efa nisy fotoana nahasamboran’ireo Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67ha azy talohan’izao nahatrarana azy izao. Natolotra ny fitsarana omaly ny tovolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT