Aferana cocaïne nahasaringotra zandary 7

Malaza ratsy ny Firenena, nanafina endrika ireo voarohirohy


  • Talata 11 Martsa 2025

Olona 14 nahitana zandary 6, manamboninahitra 1, zandary fototra na « gradé supérieur» 1,

sivily 4 no niakatra teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) 67Ha omaly 10 martsa. Samy nanafina endrika avokoa izy ireo omaly, ny lehilahy no nandeha aloha nanao arovava orona sy somary nisalobona tamin’ny akanjo, narahin’ireo vehivavy nisaron-doha, ary nisy fianankaviana nanotrona. Izy ireo izay voarohirohy tamin’ilay raharaha fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika cocaïne, tokony hodorana. Raha tsiahivina hatrany, vehivavy 2 no naharatrarana cocaine 250kg tao Nosy Be ny 02 aogositra 2024. Nifono tao anaty fonosana 56 izany. Efa nanaovana fitanana an-tsoratra sy nogiazana, saingy tratry ny fanodinkodinana rehefa andeha hodorana. Nisy 200kg teo ho eo tsy hita popoka, ka ny resaka nandeha sy ny akom-baovao no nahafahana namantatra izay, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny PAC Antananarivo Rtoa Elysée Rasoahanta. Nanjary nolazaina fa 110kg indray ireo zava-mahadomelina rehefa nandeha ny fitanana an-tsoratra, ka nahafantarana ny fisiana fanodinkodinana. Fantatra rehefa nalefa ny iraka mpanao famotorana fa teo anivon’ny mpitandro ny filaminana no nisy ny fanodinkodinana. Navadika teo am-pelantanan’ny PAC Antananarivo ny raharaha. Misy raharaha kolikoly ao anatin’io raharaha io, misy fanararaotam-pahefana satria zandary 6, manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra fototra na « gradé supérieur » no voarohirohy, hoy ny fanamafisana. Hatramin’izao dia azo antoka ny anaran’ireo voapanga sy voarohirohy, nanao ny fanararaotam-pahefana sy kolikoly. Hatreto, tsy misy anarana hafa ankoatra ireo, hoy ny tatitra. Andrasana ny tohiny sy ny didy raikitra! Miparitaka amina fampahalalam-baovao iraisam-pirenena samihafa ity aferana cocaine mahasaringotra mpitandro filaminana Malagasy ity. Malaza ratsy amin’ny resaka trafikana zava-mahadomelina, ny trafikana harem-pirenena, tompon’andraikitra sy manam-pahefana ambony voasaringotra amina afera maloto tahaka izao i Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT