Aferana Cocaïne mitentina 19 miliara Ar

3 lahy nidoboka eny Tsiafahy


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Rongony mahery vaika «Cocaïne» milanja 64,32kg no tra-tehaky ny Polisy ny

alatsinainy 19 febroary 2024 teo tao amin'ny toeram-pametrahana entan'ny orinasa lehibe iray ao Androranga Toamasina, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Naharay angom-baovao ny Polisy mahakasika ny fivezivezen'ny zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina sy ny fikasana hanaparitaka izany eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Araka izany dia nisy ny fisavana natao tamin'ny "entrepôt" na fanatobiana entana iray tao Androranga tamin’io 19 febroary io ka tamin'izany no nahatrarana vovon-javatra miloko fotsy notsinjaraina anaty harona plastika miisa 57. Nosamborina avy hatrany ireo 3 lahy tompon'ilay toerana fitehirizan'entana ary nentina nihazo an'Antananarivo hatao famotorana. Rehefa natao ny "test" na andrana dia fantatra fa Cocaïne avokoa ireo hita tany Toamasina ireo. Nogiazana avy hatrany moa ireo Cocaïne ireo ary nodorana araka ny fahazahoan-dalana avy tamin'ny fampanoavana. Tombanana ho 19.296.000.000 Ariary ny fitambaran'ny tetibidin'ireto Cocaïne ireto. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy 22 febroary ny raharaha ka naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy 3 lahy ireto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT