Fandriampahalemana

Afera maizina Misy mividy 5 000 dolara ny voa-maso iray


  • Alarobia 18 Mey 2022

Raha araka ny fanadihadiana natao dia misy maka sy mividy ireny maso hangalarin’ireo dahalo sy ireny mpamono olona ireny ankoatra ny hampiasain’ireo ombiasy azy hanomezany hery ny ody gasy hampiasainy.

Ao anatin’ny tontolon’ny « trafic d’organe » no hisian’izany na fanondranana taova. Famindrana taova na transplantation raha araka ny fantatra hatrany no tena antony hakan’ireo tsy mataho-tody azy ireny ary tsy mifidy izany na ankizy na olon-dehibe. Ny famindrana maso mantsy raha araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray dia tsy mila fifanentanana eo amin’ny mpanome sy ny mpandray toy ny taova hafa fa afaka hampifanakalozana avy hatrany. Re fa mahatratra hatray amin’ny 5000 dolara na 19 985 000 ariary , izany hoe efa ho 20 tapitrisa ariary ny voa-maso iray.Mety ampy hanazavana ny firongatry ny halatra maso tato ho ato izany volabe izany; zatra efa mitranga amin’ny resaka taolam-paty koa mantsy ity mampiteny vola ity. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo ankizy any Atsimo dia renim-pianakaviana iray ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy namono ary tsy hita ny masony.
Nangonin’i Pati
Legende : Maro ireo efa lasibatry ny halatra voamaso teto amintsika
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT