navotsotra i Fidy TMH, tsy hita i Augustin,…
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’Avaradro izay itazonana ny Minisitry fanabeazam-pirenena teo aloha Sahondrarimalala Marie Michel ihany koa ny Governoran’ny Faritra Vakinakaratra teo aloha Atoa Vy Vato Rakotovao Rakotomaditra. Niakatra fampanoavana teny Anosy ny harivan’ny alatsinainy 23 febroary 2026 teo ka, taorian’ny fanolorana azy teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana, dia napetraka am-ponja vonjimaika izy, migadra ao amin’ny Fonjan’i Avaradrano. Nisy moa ny fanadihadiana sy famotorana lalina nataon’ny « brigade mixte ». Vesatra iampangana azy ny: « fandikan-dalàna manohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena na « Atteinte à la sureté intérieur de l’Etat » sy asa fanakorontanana na « actes de déstabilisation». Ankoatra azy, nanaovana fisavana na « perquisition » ihany koa ny tranon’ny depiote IRMAR voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Rafidimanana Désiré na Fidy TMH, ary voalaza fa nentin’ny mpitandro ny filaminana nanaraka azy ity farany. Voaaron’ny zo tsy azo enjehina na « immunité parlementaire » araka ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra fa tsy azo henjehina sy samborina raha tsy mahao alalana avy amin’ny Birao maharitra moa ny depiote. Re indray ny takariva fa efa navotsotra sy afaka nody. Tsy mbola tena fantatra ny vesatra sy ny anton’ny fisavana hoe : mitovy amin’ireo hafa ihany ve ? Hikatona ny dosie sa hitohy ? Raha hampahatsiahy ny tantara, nosokajian’ny olona ho isan’ireo olon’ny volomboasary nisetrasetra fony tao anatin’ny heriny ny Fanjakana Rajoelina ity depiote ity. I Fidy TMH no voatonontonona ho lehiben’ireo « gros bras » nampiasaina tamin’ireny tolona notarihin’ny « Collectif des candidats » tamin’ny taona 2023 ireny. Nampiasaina hisetrasetra, nampanao « contre manifestation » hiady tamin’ny vahoaka,… Nieritreritra ho tsimatimanota sy tsy ho voakitikitika mandrakizay, izay niteraka fahasorenana tamin’ny vahoaka. Ohatra tamin’ireny ny fisiana « gros bras » roalahy voasambotra teo Mahamasina tamin’ireny fotoana ireny, saingy nosoloina ny akanjony dia navotsotra. Mbola voatonontonona sy ahiana ho nangoron-karena tamin’ny tsena teto Antananarivo ihany koa Rafidimanana Désiré izay nametraka ny olony tamin’ny fitantanana ny tsena teto Antananarivo, hany ka very an-kilahila ny vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Samy nitady hirika hahazoana ny fitantanana ny tsena ireo mpiray donak’afo tao anatin’ny volomboasary teto Antananarivo. Ho vitavita ho azy ve noho ny mety fiofoana niaraka tamin’ireo depiote IRMAR nikisaka ?
DOSIE MARO…
Asa raha iray tarika amin’ny dosie mahasaringotra an-dry Augustin Andriamananoro sy Sahondrarimalala Marie Michelle mikasika fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena ihany koa? Izy ireo izay voarohirohy amin’ny fanakorontanana sy afera maloto mikasika fanodikondinana volam-panjakana. Ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha izay voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hanakorontana ny Firenena tamin’ny alalan’ny fanapariahana vola. Mbola misy dosie hafa fony izy minisitra ihany koa, ka tafiditra amin’izany ny resaka tsenambaro-panjakana. I Augustin Andriamananoro voarohirohy ho atidohan’ny fampiasana « compte fake », ampiasana olona amin’ny tambajotran-tserasera entina hanakorontanana saim-bahoaka sy hiteraka fankahalana ny Fitondrana. Mbola misy dosie hafa mikasika kolikoy ihany koa raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo ny herinandro lasa teo. Na izany aza, mbola tsy hita popoka i Augustin Andriamananoro ka asa raha mbola eto an-tanindraana na efa tafatsoaka any ivelany ihany koa ? Mandeha tsikelikely na izany aza ny famongorona ny tsimatimanota, ka isan’ny nialoha làlana any am-ponja ry Rinah Rakotomanga izay nalaza ratsy tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana tao amin’ny Air Madagascar sy Madagascar Airlines, ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard,… Betsaka ireo dosie mbola ho avy satria re fa vita ny na andalam-pifaranana ny fanadihadiana tany amin’ny Minisitera samihafa, departemanta samihafa,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.