Afera fanafihana mpanakalo

«devise» teny amin’ny Horizon Ivato


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Bijoutier eo Andohan’Analakely sy mpanao trafikana fiara no atidoha ?

Trangana fanafihana efa vita omana nialoha no nahazo ilay mpanakalo « devise » notafihan’ireo jiolahy teny Ivato Horizon herintaona lasa teo, raha ny fanamarihana mivoaka amin’izao fotoana izao. Mpivarotra volamena eo Andohan’Analakely no tompon’ilay vola ho atakalo tamin’izany, raha ny vaovao azo. Ilay mpanakalo « devise » kosa no naka ilay vola haterina amin’ny toerana iray anaovana ny takalo. Vao vita ny takalo, mbola tsy lasa lavitra fa vao niala teo amin’ny toerana nakana ilay volabe izay ho aterina anefa ity mpanakalo « devise » ity no tonga ny motos 4 nanafika azy. Lasan’ireo jiolahy ny volabe tamin’io fotoana io. Tsy nisy nahafantatra ny fisian’io vola alaina sy nanaovana takalo io anefa raha tsy ilay tompona « bijoutier » eo Andohan’Analakely sy ilay anaterana azy, hoy ny fanamarihana. Nampidiran am-ponja moa ilay mpanakalo « devise » niharan’ny fanafihana ary nanaiky ny hanolo ilay vola. Nandeha teny ny fotoana saingy tsy nipetra-potsiny fa nitady ny marina momba io fanafihana io ny fianakaviany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia ilay tompom-bola manana « bijoutier » eny Andohanan’Analakely sy ilay mpanao trafikana fiara raitra izay efa malaza fa mpamitaka sy mpanao tsindry azo lena miseho gazety matetika no ahian’izy ireo ho ao ambadik’ilay fanafihana !? raha ny fanamarihana nataon’izy ireo. Efa zatra manao tsindry hazo lena ilay karana mpanao trafikana fiara raitra io, ary mpiara-miasa aminy akaiky aminy ihany ity mpanakalo « devise » nisy nanafika teny amin’ny Horizon Ivato ity saingy nofandrihana, hoy hatrany ny fanamarihana. Voalaza fa tsy nijanona hatreo, fa dia manao lava tànana etsy sy eroa hamotehana ilay tovolahy niara-niasa tamin-dry zareo ireto karana ireto. Maneho mihitsy ny mpiandany amin’ny lasibatra fa milaza ho mahafantatra olona ambony ao anaty fitondrana izy ireo ka no io entiny ampitahorana sy anaovana tsindry bokotra eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana sy eny amin’ny fitsarana. Ilay mpanao trafikana fiara raitra moa dia voalaza fa karohin’ny olona maro saingy miafina rehefa mivoaka sy miditra eto Madagasikara, raha ny fanamarihana azo hatrany. Andrasana noho izany ny tohin’ity raharaha ity taorian’ny karazana famoahana ahiahy nataon’ny akaiky ny lasibatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT