Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahelamana Nifanao velirano ny vahoakan’i Mampikony sy ny zandary


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Tao amin’ny distrikan’i Mampikony ireo iraka manokana nalefan’ny zandarimariam-pirenena hijery ifotony ny fampiharana ireo totomarika sy baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena hametrahana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy,

no namarana ny diany. Ny jeneraly Mihia Jean Macel avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny jeneraly Randriamanesy André avy amin’ny Foibe fibaikoana no nitarika ny delegasionina tany an-toerana. Nisy hatrany ny fihaonana manokana tamin’ireo manampahefana tany an-toerana izay notarihin’ny Lehiben’ny faritra sy ny depioten’i Mampikony ary ny Lehiben’ny distrika sy ireo maro hafa. Nanao tomban’ezaka manokana mikasika ny dingana voalohany nataon’ny zandarimaria amin’ny fametrahana fandriampahalemana izy ireo, ka tsapa fa nihena amin’ny ampahany betsaka ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny noho ny ezaka vitan’ny zandarimaria. Nisy ihany koa ny fihaonana nivantana tamin’ny vahoaka mba hamoahana ireo hevitra iraisana mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahelemana. Marihina fa nihaona manokana tamin’ireo zandary miasa any an-toerana ireto manamboninahitra jeneraly ireto, nanamafy ny fanarahana fitsipika mifehy sy mametraka hatrany ireo paikady manaraka hiadiana amin’ny asan-jiolahy sy dahalo ary ny ady amin’ny kolikoly. Nidera ny asa vitan’ireo zandary any an-toerana ny lehibeny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT