Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Norakofana jiro ny faritra maro eny Antehiroka


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tena mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Tsy andro tsy alina izany fa tena mahazo vahana tanteraka,

antony hanaovan’ny kaominina maro hetsika handrakofana jiro ireo toerana be mpampiasa nefa kizokizo ao amin’ny faritra misy azy. Ho an’ny Kaominina Antehiroka dia tao amin’ny faritra Ambatotokana, Fokontany Antanetibe sy faritra Ambavafitana Fokontany Ankadivory no nanaovany izany asa izany hahafahana miaro ny ain’ny mponina sy ny fananany. Mizotra tsara ihany koa ny asa fanamboaran-dalana rarivato ao amin’ny faritra Ambatotokana Fokontany Antanetibe izay efa nampitaraina ny mponina an-taonany maro. Ankoatra ny fandrakofana jiro ny tanana moa dia efa miroso amin’ny fanentanana ny mponina ny kaominina Antehiroka amin’izao mba samy hitandrina sy ho mailo indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT