ADY AMIN’NY

TSY FANDRIAMPAHALEMANA Natsangana ao Anjozorobe ny CSAO


  • Alarobia 21 Janoary 2026

Natsangana ao amin'ny distrikan'Anjozorobe

ny "Centre Spécial d'aguerrissement Opérationnel" na ny CSAO, izay hanamafisana ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana misy any an-toerana. Zandary mpiana-draharaha miisa 58 avy amin'ny andiany faha-79 no mandrafitra izany. Efa nomena fiofanana tao amin'ny "Compagnie de la Gendarmerie" ao Anjozorobe izy ireo raha araka ny fantatra. Hihazo avy hatrany ny kaominina Marotsipoy ireto zandary ireto aorian'ny fampiofanana araka ny fantatra hatrany izay haharitra andro vitsivitsy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny halatr'omby sy ny fandrombana ary fandorana fananan'olona dia anisan'ny tena mampahalaza ratsy ny distrikan'Anjozorobe ny fakana an-keriny izay tena mampitaraina fatratra ny maro.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo zandary mpiana-draharaha hanao ny asa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT