Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Nametrahana « caméra de surveillance » ny lalana miazo ny RN7


  • Talata 25 Oktobra 2022

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny any anaty tanana dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa ireo mampiasa ny lalam-pirenena toy ny lalam-pirenena fahafito.

 Mba ho fiarovana ny ain’ireo mpampiasa lalana sy ny mponina ary dia fantatra fa nametrahana caméra de surveillance ny lalana mivoaka ity lalam-pirenena voalaza etsy ambony ity. Ho fanatsarana ny filaminam-bahoaka sy ho fampiasana ny teknolojia vaovao no anton’izany. Tao amin’ny kaominina Tanjombato Atsimondrano moa no nametrahana ny antenne mifandray amin’ireo camera ireo koa raha vantany vao misy asa ratsy hataon’ireo jiolahy dia azo vakiana avy hatrany amin’ny alalan’ny sary havoakan’ireo camera izany. Enganie ka tsy ho an’ny lalam-pirenena fahafito ihany no hanaovan’ny tompon’andraikitra ezaka tahaka izao fa ny lalam-pirenena rehetra mihitsy.
Pati
Legende : Vita omaly ny tao amin’ny kaominina Tanjombato
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT