Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Hiara-hiasa amin’ny zandary ny fokonolona eny Talatamaty


  • Zoma 26 Mey 2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny kaominina Talatamaty, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Anisan’ny vaovao vao niparitaka tsy ela tao anaty tambajotran-tserasera ohatra ny fisian’ireo olona mitondra moto dia misy mamono sy manendaka eny amin’iny faritra iny. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic dia efa tafakatra roa hatreto ireo tambajotra mpanendaka moto tratra teny amin’iny faritra iny. Vao tamin’ny herinandro teo ny iray farany nahitana olona miisa 6. Tsy hijanona hatreo ny ezaka hataon’ny kaominina sy ny zandarimariam-pirenena manoloana izany. Hisy ny fitetezana ireo Fokontany miisa 12 hataon’ny Ben’ny tanana sy ireo mpitandro ny filaminana ato ho ato hananganana ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany. Hiara-kiasa mandritra izany ny fokonolona sy ny polisy kaominaly ary ny zandarimariam-pirenena hahafahana mamongotra ireo tontakely. Na izany aza dia miantso ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty mba samy hitandrina fa ny ratsy tsy misy tandroka.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’i Talatamaty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT