Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao Tanjombato Tsy hiandrasana fanampiana amin’ny fanjakana foibe


  • Talata 16 Martsa 2021

]Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana foibe amin’ny resaka fitandroana ny filaminam-bahoaka ao Tanjombato,

 

 hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Tovo Rakotojohary. Na tsy asan’ny kaominina aza fa ailika any amin’ny polisim-pirenena, ohatra, dia iarahanay misalahy, hoy izy. Ireo mpangalatra ireo tsinona dia anatin’ny fiarahamonina ihany. Mila jerena miaraka noho izany ny fanentanana eo anivon’ny vakim-paritra sy fokontany ary ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Tsy hiandrasana fanampiana any amin’ny fanjakana foibe ny fampandrosoana fa ianao no mahalala ny zava-misy ao amin’ny kaominina iadidianao dia miainga amin’izay fahafahana misy aloha no hihetsehana. Iaraha-mahalala ny fahantrana mahazo antsika. Ny vokatry ny krizy tamin’ny taon-dasa dia tsy ho moramora ny fanarenana azy. Nisy fiantraikany tamina fihariana maro iny ary izay no antony ilazana hoe aleo miasa satria afaka sady miasa isika no mitandrina ny resaka fahasalamana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT