Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 26 Mey 2020

Hikaon-doha ireo tompon'andraikitra eny Atsimondrano Mahatratra 900 000 ny isan’ny mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano amin’izao, miparitaka amina kaominina miisa 26.

 

Tsy mifanaraka amin’ny isan’ny mponina anefa amin’ny ankapobeny ny isan’ny mpitandro ny filaminana, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny tanana. Anisan’ny nahazoana fitarainana ohatra vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ny kaominina Tanjombato. Vao maizimaizina kely dia manao ny hataony ny mpanendaka hany ka miaina anaty tebiteby lava ny mponina. Vao omaly ihany koa dia nitrangana fahafihana mahery vaika teny Alakamisy Fenoarivo. Manoloana izany dia hanatanteraka fivoriana maika rahampitso Alarobia ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny ao Atsimondrano hotahirihin’ny solombavamvahoaka. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra mitady paikady ho enti-mamomgotra ny tsy fandriampahalemana eny Atsimondrano, indrindra amin’izao fotoanan’ny fihibohana tsy mampisy ny asa fitadiavana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT