Fandriampahalemana

Ady amin’ny polisy sandoka Miantso fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ny polisim-pirenena


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Niteraka resabe teto amintsika ihany koa tato ho ato, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana sandoka miditra anaty taxi-be ka manendaka sy mampahory mpandeha.

 

 Tsy mitazam-potsiny ny pôlisim-pirenena manoloana izany, raha araka ny fanazavan’ny kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victor , commissaire central eto Antananarivo renivohitra. Na izany aza anefa hoy izy dia tokony hifanome tanana ny rehetra ka hampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana  ireo mahita maso na manatrika izany tranga izany. Tsy mbola nisy hoy izy olona iray niantso pôlisy ka tsy tonga ireto farany.  Olom-pirenena mandray andraikitra no ilaina hoy izy hiatrehana izany satria tsy ary ho hitan’ny pôlisy avokoa izay taxi-be handehanan’ireo olon-dratsy ireo na ny toerana misy azy. Na izany aza anefa hoy izy dia efa manana ny paikadiny ihany koa izy ireo. Anisan’ny  notsindriany manokana tamin’izany ny fisavana ireo fiara mandalo satria mety ho any anatin’ireny karazana fiara ireny ireo olon-dratsy. Ny mahavariana anefa hoy izy dia tezitra ny olona rehefa savain’ny pôlisy ny fiarany nefa ho azy ireny ihany no hanaovana izany. Toraka izany koa hoy izy ny fametrahana ny “barrage de securité”, …Miantso ny olom-pirenena mba hampandre azy ireo avy hatrany ny kaomisera Tsaramonina araka izany raha vantany vao mahita tranga tahaka izany.


 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT