Fandriampahalemana

Ady amin’ny mahadomelina Hitety sekoly ny Ong Ny Sahy


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Efa saika miverina any an-dakilasy avokoa ireo ankizy mpianatra eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana.

 

 Mbola olana goavana hatrehin’ireo fikambanana maro mandray an-tanana azy ireny anefa ny ady amin’ny fandraisana sy ny fidorohana zava-mahadomelina, antony manosika ny fikambanana Ong Ny Sahy hanohy hatrany ny asany.  Hitety sekoly indray izy ireo amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, hoy ny filohany, Haja Ramamonjisoa ka hahazo tombontsoa avokoa ireo sekoly rehetra tonga miantso ny fikambanana sy mangataka fiaraha-miasa aminy. Hitety Faritany ihany koa izy ireo toy ny any Mahajanga, Toliara, Antsirabe, Toamasina izay hanaovana fanentanana manokana mihitsy hiarovana ny ankizy. Tsiahivina fa nanohy hatrany ny asany izy ireo nandritra ny vakansy lehibe toy ny fanatanterahany ilay tetikasa niarahana tamin’ny  “Fondation Telma” antsoina “cyber class”, fampianarana ny ankizy informatika maimaimpoana mba tsy hanaovany zavatra hafa. Nisy ihany koa ny tetikasa Grass Roots, niarahana tamin’ny federasionan’ny lalao baolina kitra nampianarana ankizy  mpianatra an-jatony  ny teknika fototra momba ny filalaovana baolina kitra. Tsiahivina fa vao 13 taona monja ny ankizy eto amintsika dia efa misy mifoka sigara.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT