Fandriampahalemana

Ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Mpianatra an-jatony no vita fanentanana tany Ambohidratrimo

Tsy mionona fotsiny amin'ny fisamborana sy ny fandravana ireo tambazotra mpanaparitaka zava-mahadomelina eto amintsika ny zandary fa mandray andraikitra sy miaro ireo tanora ihany koa indrindra fa ireo mpianatra, izay tena tandindomin-doza tokoa. Mpianatra an-jatony no notetezin’izy ireo sy nanaovany fanentanana nandritra ny roa herinandro nanerana ireo sekolim-panjakana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Ambohidratrimo no nitarika izany nitety ireo lisea sy CEG eny an-toerana. Nivoitra nandritra izany ny fampitandremana ireo tanora mpianatra mikasika ny zava-mahadomelina sy ny tontolony ary ny voka-dratsy aterak’izany eo amin’ny fahasalamana sy ny fiainam-piaraha-monina ankapobeny mihitsy. Anisan’ireny ny tsy fisian’ny fandriampahalemana toy ny fangalarana, ny famonoana olona rehefa teren’ny vola hividianana roro….Samy resy lahatra ireo mpianatra tamin’ny ankapobeny, eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 20 taona mahery.
Nangonin’i Pati
Legende : Liana ery teto ireo ankizy mpianatra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT