Ady amin’ny asan-dahaloo

Raikitra ny fiofanan’ny USAD andiany faha-38


  • Zoma 16 Mey 2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

manokana miady amin’ny asan-dahalo andiany faha-38 (USAD XXXVIII). Toy ny fanao amin’ireo andiany rehetra mamonjy fiofanana ao amin’ny FIGN, natomboka tamin’ny fandehanana an-tongotra izany, tamin’ny alalan’ny làlana mampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy, toerana hanohizana ny fiofanana. Ity fiofanana ity dia anisan’ny dingana lehibe iatrehan’ireo kandida ho lasa mpikambana maharitra ao amin’ny USAD, vondrona manokana ao amin’ny Zandarimaria izay miatrika manokana ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny fandriampahalemana any ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-piofanana ny fahaiza-manao ara-tafika, ny paikady amin’ny fiatrehana zava-tsarotra eny ifotony, ary ny fanomanana ara-batana sy ara-tsaina, izay ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa. Manaraka fepetra hentitra sy fitsapana maro samihafa ny fiofanana, ary hisy ny fanavahana amin’ny alalan’ny fanadinana farany, izay hahafahana misafidy ireo tena mendrika handrafitra amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-38 amin’ny USAD.
Asmynah Randriamananjara (mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT