Fandriampahalemana

Ady amin’ny asan-dahalo Nandroso vahaolana ny FIMPIOMBY


  • Zoma 01 Septambra 2017

Misedra olana ireo mpiompy omby manerana ny foko 18 amin’izao fotoana noho ny tsy fandriampahalemana.


 Ankoatra ny fananana very dia misy hatrany ny aina afoy matetika, antony nananganan’izy ireo ny fikambanana, hoy ny filoha nasionalin’ny FIMPIOMBY, Randimbielson. Tanjon’izy ireo ny hamongotra ny halatra omby miainga eny ifotony ka hatrany amin’ny fivarotana ny henany mba ho fiarovana ny harem-pirenena. Nanolotra vahaolana maro hahafahana miady amin’ny asan-dahalo ny fikambanana ary mangataka toky fiarovana avy amin’ny mpitondra. Anisan’ireny ny tokony hamongorana ireo fitaovam-piadiana miparitaka toy ny basy tsy mazava sy ny kalaky, ny Mas36, indrindra ireo tambajotra mpivarotra basy sy bala tsy ara-dalàna. Ny fanaovana sesitany ireo lehiben’ny dahalo na an-tanety na ambony latabatra, ny fananganana sy fampiharana ny dina ifotony toy ny kalôny, famonjena koka, hazolava, fisavana kizo sy kijanan’omby, famatsiam-bola ireo tovolahy vonona hiala amin’ny asan-dahalo…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT