Fandriampahalemana

Ady amin’ny asan-dahalo any DIANA sy SAVA Napetraka ny « Kalony »


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany no niantombohan’ny fidinana ifotony notanterahan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria hanara-maso akaiky ny fampiharana ny paik’ady sy baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

 Nitohy tany amin’ny faritra DIANA sy SAVA ny asa. Ny faritra Andriamena, distrikan’i Tsaratanana sy Andilamena indray no nidinan’ny delegasiona notarihan’ny jeneraly Ramampiandra Christophe, avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny jeneraly Miasa Manohizara Toussaint, izay avy amin’ny foibem-pibaikoana ny faran’ny herinandro lasa teo. Nandritra ny fifamoriana nataon’ireto delegasiona tamin’ny solontenam-panjakana sy ny solontenam-pokonolona teny an-toerana dia nisy ny loabary an-dasy nitaterana ny lesoka. Nivoitra ihany koa ny soso-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ireo lafin-kery mba hipaika mivantana eny amin’ny vahoaka eny ifotony ny fandriampahalemana, araka ny fanazavana. Nalamina ny fiaraha-miasa ka napetraka ny « Kalony » na ny dinam-pokonolona any amin’iny faritra iny, hampihenana ny asan-dahalo mandra-pivalin’ny fangatahan’ny vahoaka hanampiana ny isan’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana sy ny hanamafisana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’izy ireo izay mitovy hery amin’ny eny am-pelatanan’ny dahalo. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa ny ezaka atao.

 

J. Mirija

 


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT