Ady amin'ny tsy fandriampahalemana

Nanome jiro ireo Fokontany 9 eny Ambohidratrimo ny ZAM


  • Talata 30 Janoary 2024

Manjaka ny tsy fandriampahalemana ao anatin'ny Kaominina Ambonivohitra Ambohidratrimo.

Betsaka ny fatiolona hita teny amin'ny Fokontany sasantsasany. Mitaraina ny mponina eny an-toerana kanefa tsy raharahin'ny Ben'ny tanàna izany. Soa fa teo ny fikambanana ZAM (Zanak'Ambohidratrimo Marovatana) tarihin'Atoa Rabary Hery, ka nametraka jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro, miampy takamoa miisa 80 mahery napetaka tamin'ny andrin-jiron'ny JIRAMA entina hanazavana ny tanànan'Ambohidratrimo no indrindra koa iadiana amin'ny tsy fandriampahalemana. 5 taona ngarangidiny no niaina tao anatin'ny aizina ny mponina ato amin'ny Kaominina Ambohidratrimo. Tsisy nandeha ny jiro eny an-dalambe. Maty avokoa ny andrin-jiron'ny JIRAMA ka manjaka ny tsy fandriampahalemana. Mitaraina ny mponina kanefa tsy rarahin'ny mpitantana ny tanàna. Nahatsapa izany ny ZAM nitondra hazavana ho an'ny tanàna, nahafaly ny mponina ny hetsika. Ankoatry ny fanazavana ny tanàna dia efa maro ny asa sosialy vitan' ny ZAM tarihin' ny Prezidà Rabary Hery teny anivon'ny Fokontany 9 mandrafitra ny Kaominina Ambohidratrimo : tao ny fampidirana rano fisotro madio, ny fampitaovana ireo klioba ara-panatanjahan-tena, ny fanomezana masomboly ny tantsaha, ny fampitaovana ireo mpanasa lamba, ary ny fanomezana hasina ireo zokiolona noho ny taona vaovao.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT