ADY AMIN'NY TSY

FANDRIAMPAHALEMANA


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

Horakofana jiro ny tanana ao Alasora

Horakofana jiro avokoa ireo Fokontany mandrafitra ny kaominîna Alasora, distrikan'Avaradrano ho enti-miady amin'ny tsy fandriampahalemana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mbola maro amin'ireo mponina eny an-toerana no mivelona amin'ny asa fivarotana ka mivoaka maraina mandeha maka entana. Tsy vitsy koa ireo mpianatra sy mpiasa tratra alina mila fiarovana. Izany indrindra no nanosika ny kaominina hanao izao ezaka goavana izao ka Fokontany miisa 2 tamin'ity herínandro ity no efa nahazo tombontsoa ankoatra ireo efa mañana izany. Anisan'ireny ny Fokontany Ambohimarina sy Est Mahazoarivo. Fantatra moa fa mbola hitohy hatrany ny hetsika. Toraka izany moa ny famongorana ireo tontakely ao an-tanana hiarahana amin'ny mpitandro ny filaminana izay vao avy nisamborana jiolahy miisa roa raindahiny amin'ny vaky trano sy ny halatra moto. Nampikolay ny mponina fatratra izy ireo saingy tratra ihany. Niaiky izy roalahy fa trano miisa 6 no efa novakiany.... Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo.
Pati
Légende : Efa mazava tahaka izao ny ao Ambohimarina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT