ADIN’ANKIZY TAO TOAMASINA

Iray voatsatok’antsy, raikitra ny fisamborana


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Zazalahy kely iray no fantatra fa voatsatok’antsy tao Toamasina afak’omaly Sabotsy 25 May alina

rehefa niditra tao anaty vondrona mian-dahy miam-bavy tia herisetra sy adiady. Raha ny loharanom-baovao azo dia teo anoloan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina izy ireo no niadiady nanomboka tamin’ny 08 ora alina. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka nihafara tamin’ny fifanindromana antsy teo anoloan’ny kianjan’ny fahaleovantena . Nandritra izany no nahavoa ity zazalahy kely iray monina ao Tanamborozano parcelle 22/22 ity. Voa teo amin’ny tratrany moa ilay zaza ary mbola afaka nilaza fa tadidiny avokoa ireo namany sy ny ekipa niady taminy. Nitohy tamin’ny fisamborana ireo andian-jatovo ireo ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina kosa ilay zazalahy kely. Mbola taonan’ny miala sakana avokoa moa ireo andiana zatovolahy sy zatovovavy ireo.
Pati
Legende : Nifandrombahana tato amin’ny efitrano fameloman’aina tahaka izao ilay zazalahy kely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT