Fandriampahalemana

ACMIL Antsirabe Zazavao 180 nahazo fiofanana fototra


  • Zoma 15 Septambra 2017

Vata-miaramila hanao fanompoam-pirenena niisa 180 no natao ambany faneva tao amin’ny akademia Miaramila Antsirabe omaly alakamisy,

ka ny 126 lahy dia hiasa ao amin’ny sekolin’ny manamboninahitra Acmil ary ny 54 kosa dia ao amin’ny ENSOA na ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra. Nanaraka fiofanana nandritra ny 90 andro ireto vata-miaramila ireto, ka ny fiofanana fototra maha miaramila no nataony tamin’izany mba ahalalany ny fahaiza-miaina ho tena miaramila, izay narahina sedra maro. Dingana lehibe ho azy ireo ny lanonana ara-miaramila satria manamarika ny fiovan-tsata eo aminy, hidirany amin’ny satan’ny miaramila. Nambaran’ny Kolonely Ramasy Razafindratovo Heritiana, kaomandin’ny Acmil moa fa ny fiofanana fototra no vita fa ny fiainana maha miaramila dia vao hanomboka. Ka na efa tapitra aza ny fe-potoana natokana nianarana ny fahalala fototra dia vao hanatevina izany izy ireo mandritra ny roa taona ao amin’ny holafy hisy azy tsirairay avy mba hananan’ny tafika miaramila mendrika. Nisy moa ny matso nandraisan’ireto zazavao ireto anjara, taorian’ny fanaovana azy ireo teo ambany fanevan’ny sekoly misy azy ireo avy. Raha ny fanazavana moa dia hisy ampahany amin’izy ireo no mety hiditra ho miaramila raha mendrika amin’ny fitondran-tena sy ny mahafeno ny fepetra amin’izany izy ireo, izay ampahany kely dia kely tokoa moa raha ny fantatra.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT