Fandriampahalemana

ACMIL Antsirabe Namoaka manamboninahitra 78 isa


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Manamboninahitra niisa 78 no navoakan’ny Akademia Miaramila Antsirabe omaly. Mizara ho andiany roa izy ireo dia ny andiny mivantana faha 38 nisalotra ny anarana “Fanjiry”, izay niisa 67 mianadahy ary ny andiany manokana niisa 11 nisalotra ny anarana “Lafatra”.

 Nanome voninahitra ny lanonana ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianiina niaraka tamin’ireo manamboninahitra miaramila marobe, ka ny Kaomandin’ny sekoly, ny kolonely Ramasy Razafindratovo Heritiana no nitarika ny lanonana rehetra. Nandritra ity lanonana ara-miaramila ity moa no nitsofan-drano ireo andiany faha 40 nitondra ny anaran’ny Jeneraly Andrianaivo Raymond sy ny andiany iraisam-piadiana faha 20 mitondra ny anarana “Fivoy”. Ankoatra izay moa dia toy ny mahazatra dia nisy ny famindrana ny sabatra sy ny fanevan’ny sekoly tamin’ny andiany faha 39 nataon’ny andiany faha 38, ho mariky ny fitandroana ny hajan’ny sekoly hoan’ireo andiny zandriny ireo. Araka ny nambara tamin’ny taon-dasa moa dia nisy ny fanavaozana tanteraka ny efitrano “Amphithéatre” ho isan’ny tsangambaton’ny faha 50 taon’ny sekoly ka nampitondraina ny anaran’ny Jeneraly Rasamoely Claude James izany, izay Malagasy voalohany nandray ny fibaikoana ity sekolin’ny manamboninahitra ity (1972 – 1975), izay nohitarina sy niova endrika no lasa mahazaka olona hatrany amin’ny 600 any ho any amin’izao fotoana. Fa nandritra ny lahateny nataon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena moa no nampatsahiviny ny lalàna momba ny mpitandro filaminana manoloana ireo fanakianana sy resabe amin’ny asan’izy ireo, ataon’ny sarambabem-bahoaka ka nilazany fa tsy mbola ireny olona be resaka sy mitabataba ireny no nifampitifitra tamin’ny dahalo na koa nanolotra ny ainy hoan’ny tanindrazana ka aoka tsy ho taitra amin’izany ny mpitandro filaminana izay nisaorany manokana mihitsy moa ny ezaka ataon’izy ireo. Fa ankoatra ireo moa dia nisy ny fitsidihina ny tranom-bakoka izay an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana mba hitehirizana sy hampahafantarana ireo vakoka eo anivon’ny tafika Malagasy. 

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT