8 mianaka notifirina tao Ikalamavony

« Olon-tsotra fa tsy dahalo velively… »


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ireo 8 mianaka nisy namono

tamin’ny fomba feno habibiana tao Ikalamavony ny alin’ny 25 janoary 2024, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha tsiahivina, nisy andiana miaramila miisa 11 sy sivily 3 lahy no tonga nanakotaba tao Ikalamavony tamin'io daty io. Nihevitra azy ireo ho dahalo ny olona teo an-tanàna ka nitsaoka nandositra ny tovolahy iray 16 taona, izay voatifitr’izy ireo avy hatrany. Notapahiny ny lohany. Nodidiany koa ny kibony. Ireo 7 mianaka kosa navoaka ny tanàna ka tany no nitifirana azy ireo, izay saika teo amin'ny lohany avokoa ny nahavoa azy, ankoatra ny habibiana hafa natao tamin'izy ireo. Efa nisy ny fitoriana ho an'ireo sivily sy miaramila izay nanao izao famonoana ny fianakavian'izy ireo izao saingy tsy mety tonga mamaly ny fiantsoana azy ireo miaramila ka antony anaovan'izy ireo fitarainana. Voamarina fa olon-tsotra ireo olona novonoina ireo fa tsy dahalo ary efa notanana vonjimaika eny amin'ny tobin'ny zandary ao Fianarantsoa ireo sivily 3 lahy. Andrasana kosa ny mikasika ireo miaramila izay mandà ny hiatrika ny fanadihadiana hatao azy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT