Fandriampahalemana

67 ha Vehivavy iray tratra nangalatra finday


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no no tratra ngalatra finday tamina botika iray tetsy 67ha (akaikin’ny Mada Hotel) omaly.

 Mody rebirebeny ilay mpivarotra raha araka ny fantatra ka raha vao variana kely dia efa any am-paosiny ny finday. Raha araka ny fantatra hatrany dia efa betsaka ireo botika lasibatra. Mbola nahatrarana finday 2 vao avy nangalariny moa tany amin’ity Ramatoa iray ity omaly. Ankoatra izay dia tovovavy iray vao 16 taona ihany koa no nivazavazana mpivarotra kapa tetsy amin’ny pavillon Analakely omaly. Raha araka ny fantatra dia mody nanontany kapa ihany koa ity tovovavy ity nefa efa manomana harona handatsahana ireo mipetraka amin’ny sisin-databatra. Mila mailo sy mitandrina amin’izao fa tena be loatra ireo mpanao ratsy.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra nangalatra finday
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT