Fandriampahalemana

67 HA Tratra ilay lehilahy mpanendaka vehivavy


  • Alarobia 13 Mey 2020

Lehilahy 19 taona indray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito etsy 67 Ha ny alatsinainy,

 

 

 

 

 

 11 may teo tokony tamin’ny 5 ora sasany maraina rehefa avy nanendaka tovovavy iray avy niala tamin’ny bus avy any ambohitrimanjaka teo amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe 172 akaikin’ny HAVANA. Maromaro ireo mpanendaka tamin’izany ka lasan-dry zareo ny poketran’ilay tovovavy izay nisy vola mitentina 1.500.000Ariary sy finday iray ary fanalahidy maromaro. Polisy nanao ny asany teny an-toerana no nitarainan’ity niharam-boina ka nanampy azy nisambotra ity mpanendaka ity. Tsy tratra teny amin’ity farany intsony moa ireo entana azony ireo. Tamin’ny fanadihadiana dia nilaza ilay tovovavy fa ity lehilahy ity mihitsy no nanendaka azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT