Fandriampahalemana

67 Ha Avaratra Andrefana Voatsindron’antsy sady voaendaka ilay mpitondra moto


  • Talata 09 Martsa 2021

Tovolahy iray 25 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP7 67Ha ny Alahady teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

 

 

 

 Nanendaka sy nanao herisetra tamina lehilahy iray nandeha moto nandalo manoloana ny Preference 67ha iny, izay misy lalan-dratsy ity tovolahy ity sy ny namany 2 . Nijanona avy hatrany teo anoloan’ilay moto izy ireo ary nanakana. Ny iray nanatona ary nanambana antsy no sady nanatsatoka izany tamin’ny tanan’ilay mpitondra moto. Lavo moa ity farany no sady nisy naratra ny sandrin-tanany izay voatsatoka ny antsy. Niezaka nanavotra aina izy ka tafatsaoka ihany. Lasan’ireo mpanendaka kosa ny kitapo izay feno ny antontan-taratasy mahakasika ilay niharam-boina miaraka amin’ny finday marika itel sy kojakoja samihafa mitentim-bidy 750.000Ariary. Nahatsikaritra izany zava-nitranga izany ny manodidina ka niantso polisy avy hatrany. Raha vao nahita izany moa ireo mpanao ratsy dia lasa nitsaoka nihazo ny elakelan-trano. Raikitra ny fifanenjahana ka tratra tsy lavitra teo ny tovolahy iray izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ilay moto sy ilay asa fanendahana. Efa maro no lasibatr’ ireto jiolahy telo mpanendaka ireto raha araka ny fantatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT