Fandriampahalemana

67 ha Atsimo Tovolahy iray tratra nitazona rongony


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Tovolahy iray no voatery nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny 67 ha Atsimo ny ny 13 novambra lasa teo rehefa nitazona rongony

. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy vao maraina teny amin’ireo toerana ahiahiana hisehoana trangana tsy fandriampahalemana eny 67 ha no nahitana ity lehilahy ity izay nanao fihetsika hafahafa. Nanapa-kevitra ny hanakana sy hisava azy avy hatrany ireo mpanao fisafoana nandritra izany ka rongony miisa 02 fonosana no tra-tehaka tany aminy. Niaiky moa izy fa novidiany 2.000 ariary teny amin’ny manodidina ireo rongony ireo izay hofohany tsotra izao fa tsy hamidiny intsony akory. Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny alatsinainy 15 novambra teo ny lehilahy.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy tratra nitazona rongony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT