Fandriampahalemana

67 Ha Atsimo Miasa any anaty Bar ny mpangalatra finday


  • Zoma 13 Novambra 2020

Tovolahy iray voalaza fa mpangalatra finday no voasambotra teny amin’ny 67 ha atsimo ny 10 novambra lasa teo.

 Niara-nisotrosotro tamina tovolahy maromaro tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny 67ha atsimo io tovolahy io nandritra ny fotoana nitrangan’ilay halatra. Tamin'izany indrindra no nanararaotany nisikotra ny finday tao am-paosin’ilay tovolahy iray akaiky azy ka rehefa azony ilay finday dia nikasa hivoaka ilay trano fisotroana izy. Tsikaritr'ilay tompona finday anefa fa tsy tao am-paosiny intsony ny findainy ka nikoropaka nikaroka izany izy. Nenjehina avy hatrany ilay olon-dratsy izay mbola hita tsy lavitra ilay toeram-pisotroana. Niantso polisy ihany koa ireo tompona finday very ka polisy niasa tsy lavitra teo no nisambotra ilay mpangalatra. Nosavaina avy hatrany izy ka mbola tratra teny aminy ilay finday halatra. Nandritra ny fanadihadiana natao azy dia niaiky ny helo vitany ity olon-dratsy ity. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tovolahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT