Fandriampahalemana

6 mianaka maty nosemporina Voasambotra ireo nahavanon-doza


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Ny alin’ny 20 septambra no nisehoan’ny fampijaliana niharo famonoana olona 6 mianaka tao Ambatovaventy, distrikan’Antanifotsy.

  Raha ny fizotry ny tantara, nofatoran’ireo olon-dratsy aloha ny mpiambina ny tanànan’izy 6 mianaka izay mpivarotra no asany. Nivatsy tohatra izy niakarany teo amin’ny lavarangana. Ny resaka ren’ireo mpiambina nafatotra nandritra ny naha tao an-trano ireo jiolahy, dia nilaza ny tompon-trano hoe "Ireto ny vola misy ato aminay". « Tsy miraharaha izay volan’ialahy izahay ! », hoy kosa ireo jiolahy, izay azo heverina fa resaka lonilony sy famonoana tsotr’izao no tanjona. Nakatony tao an-trano avokoa izy mivady sy ny zanany 4 mianadahy ary nivoaka nandoro ny trano tokoa ireo mpanafika. Tsy nirehitra anefa ny efitra nisy azy ireo ary rehefa hitan'ireo jiolahy izany, dia niverina izy, ka nisy zavatra napoakan'izy ireo tao an- trano, izay azo heverina fa « Gaz » ary io no namono azy 6 mianaka. Nandray ny andraikiny ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena avy ao Antanifotsy nanao ny fikarohana. Anisan’ny nanampy betsaka ny fisian’ireo alika nanao tsongo dia avy amin’ireo zandary mpibaiko alika teny Ivato, nanafaingana ny fahafantarana ny momba ireo nanafika. Nampiasaina koa ny teknolojia nahafahana namantatra haingana ny tarehin’izy ireo ka ny « section recherche criminelle » avy aty Antananarivo no nanampy betsaka tamin’izany. Fa tetsy an-daniny dia nisy koa ny fanampian’ny mponina tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao maro samihafa. Nody ventiny ny rano nantsakaina. Voasambotra ny jiolahy miisa 7 ary niaiky ny heloka nataony. Nisy tamin’izy ireo no jiolahy raindahiny efa nokarohana hatry ny ela. Ny lehilahy iray kosa dia notondroin’izy ireo fa mpanampy azy amin’ny ody gasy isaky ny handeha hanafika. Natolotra ny fampanoavana ny 12 oktobra 2017 ireo jiolahy ireo taorian’ny famotorana azy ka tafiditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'Ambatolampy avokoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT