Fandriampahalemana

5 lahy mpaka an-keriny Tsy nilavo lefona raha tsy maty ny 2


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Jiolahy mpaka an-keriny miisa 5 no sarona omaly alarobia 10 janoary 2018 tao amin’ny fokontanin’Amboboka sy Manombosoa, distrika Malaimbandy ka ny 3 azo sambo-belona ary ny ny 2 kosa maty voatifitra rehefa nanohitra ny mpitandro ny filaminana.

Nisesisesy ny fakana an-keriny nataon’ireto andian-jiolahy ireto ny faramparan’ny taona lasa teo, raha ny fanazavana. Ny 2 janoary teo dia nahazo vaovao mikasika ny toerana izay hieren’ireo jiolahy mpaka an-keriny sasany ny zandary ka niroso tamin’ny fanaovana sava hao ny faritra re fa misy azy ireo. Rehefa nanatona ny fokontany voalohany voalaza io ny zandary dia sady nandositra no nitifitra ireo jiolahy ireo ka raikitra ny fifandonana. Naharitra ny fifanenjehana ka nandalo teo amin’io fokontany faharoa io dia nandositra nanampy ireo namany koa ny sasany niery tao. Nilavo lefona ny 3 lahy ka noraisim-potsiny nosamborina ary nentina natao andrimaso any amin’ny borigady Malaimbandy. Rehefa natao ny fizahana ny toerana nisian’ny fifandonana dia hita fa jiolahy miisa 2 no tsy afa-nanohy ny diany intsony ka efa vatana mangatsiaka no hita. Mbola nisy vitsivitsy kosa no tafaporitsaka niaraka tamin’ny basim-borona izay mbola karohina fatratra, raha ny fanazavana.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT