4 lahy namono

an’i Haingotiana sy Stéphanie


  • Alarobia 02 Septambra 2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Natao ny alatsinainy teo tamin’ny 2 ora tolakandro ny fizahana ny razan’ireo lehilahy efatra voasambotra sy voatifitra, tompon’antoka tamin’ny raharaha famonoana sy fanolana an’i Haingotiana sy i Stéphanie. Raharaha izay tena nampivarahontsana raha jerena tamin’ny tatitra ofisialy sy ny fitantaran’izy ireo tao anatin’ny famotorana, nilazana mazava ireo habibibiana, ny fanolanana, ny fitaovana nampiasaina nentina namonoana, ny fihetsika mamoafady samihafa. Teo anatrehan’ny fianakaviany no nanatanterahana ny fizahana, ka samy voamarina ny razan’ireto: Larry HZ, 20 taona, avy ao Ambodin’isotry ; Aldo R., 18 taona, avy ao Ambohitrimanjaka ; Sitraky Ny Avo R., 23 taona, avy ao Itaosy ; Fanomezantsoa HA, 17 taona, avy ao 67 Ha. Araka ny fitsipika, ny fizahana razana dia dingana tsy maintsy arahina rehefa misy olona maty ivelan’ny toeram-pitsaboana, indrindra raha mifandray amin’ny heloka bevava. Rehefa vita ny fanamarinana dia nahazo alalana haka ny razana ny fianakaviana tsirairay, ka samy nitondra izany nody any amin’ny toerana niaviany. Hatramin’ny omaly, ny toerana handevenana ny iray amin’ireo voarohirohy ihany no efa fantatra, izay any Fianarantsoa no hanaovana ny fandevenana azy. Ny hafa kosa mbola tsy tena fantatra. Mety henatra ho an’ny fianankaviana saingy izay ilay hoe tsy niteraka fanahy fa niteraka nofo. Tanora vao erotrerony 6 no maty tao anatin’ity raharaha ity, zava-doza izay sanatria manamaivana fa kosa heverina fa tokony hanatsoahan’ny tsirairay lesona ireny eo amin’ny fitezana sy fanabeazana ny tanora, ny fifihezana sy fifampitondrana,… Lesona ho an’ny tanora eo amin’ny fisafidianana ireo tena namana sy naman-dratsy, ny fitandremana manoloana ny ambana samihafa entin’ny fanatontoloana,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT