3 LAHY NAMONO LEHILAHY 48 TAONA

Nahazo saran-dalana mandroso nankany Tsiafahy


  • Alarobia 27 Novambra 2024

Nahazo saran-dalana mandroso fotsiny nankany Avarabohitra Kaominina Tsiafahy Distrikan’ Antananarivo

Atsimondrano ao amin'ilay valabe antsoina hoe : Tsiafahy ireo telolahy voalaza ho namono nahafaty ilay lehilahy 48 taona tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tsiahivina fa rahalahin’ny iray amin’izy ireo ihany ity lehilahy namoy ny ainy ity. Noho ny disadisam-piaraha-monina no nahatonga ny olana noho Itompokolahy voatondro ho tsy dia salama saina loatra. Tsy miantoka sakafo moa izy telolahy ireto mandritra ny fotoana handinihiny ny ratsy vitany ao Tsiafahy fa mihinana hanin-kotrana 350 grama isan’andro eo ho eo. Mitehaka ihany koa rehefa hivadika ao am-pandriana amin’ny alina fa tsy afaka milamina intsony ohatra ny tany an-trano. Tena raharaha ilaina marina.
Pati
Legende : Efa maka saina any Tsiafahy izy telolahy ireto amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT