Fandriampahalemana

19 taona dia efa mpangalatr’omby Maty voatifitra rehefa saika mbola hitsoaka


  • Zoma 06 Janoary 2023

Tovolahy iray vao 19 taona monja dia efa mpangalatr'omby tany amin’ny faritra Menabe. Maty voatifitry ny polisin’ny CRFIP,DRSP Menabe tao amin'ny fokontany Andranoteraka ny tovolahy omaly.

Efa matetika mangalatr’omby ao amin'ireo fokontany manodidina azy ity tovolahy ity. Nisy araka izany ny andrimaso natao ka tratra omaly 05 janoary tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany ity farany ary nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny polisy nanaovana ny fanadihadiana.Teny an-dalana hamonjy ny birao anefa izy no nanao tari-dositra indray. Nisy ny tifitra fampitandremana nataon'ireo polisy saingy nanohy ny diany foana ity farany.Voatery nitifitra azy ny mpitandro ny filaminana noho izany ka lavon'ny bala ity mpangalatr’omby omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro.
Nangonin’i Pati
Legende : Maty voatifitra ilay mpangalatr’omby
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT