any an-tokantrano sy ara-piarahamonina»
Maro ny karazana fanabeazana tokony hampitaina amin’ny zaza malagasy, hoy ny mpanabe sady mpa-haitoekarena havanana manokana amin’ny toekarena momba ny fanabeazana na «spécialiste en économie de l’éducation», Zafinjaka Ratovoherinavalona. Misy, hoy izy, ny fanabeazana ao an-tokantrano iandraiketan’ny ray aman-dreny sy fianakaviana. Misy koa io fanabeazana io tanterahina any an-tsekoly, izay iarahana amin’ireo mpampianatra, mpanabe, fitaovana enti-mampianatra. Misy koa ny fanabeazana avy amin’ny fiarahamonina, izay iarahana amina fikambanana, fiarahamonim-pirenena, fiangonana, maro. Hita eto amintsika hoe somary latsaka ambany ny fanabeazana any an-tokantrano sy ny ara-piarahamonina amin’izao fotoana izao, hany ka lasa sarotra ny manova ny toentsaintsika malagasy. Lasa sarotra ny mampita hafatra tokony hahasoa ny malagasy. Ny fanabeazana any an-tsekoly tena misy banga, izany hoe, eo ny fahabangana ara-bola. Eo koa ny andraikitry ny fanjakàna amin’ny ankapobeny, izay mbola somary osaosa ihany koa. Misy amin’izao ny fanavaozana. Tokony apetraka mazava tsara ireo rafitra hanatsaràna ny fanabeazana eto amintsika eto Madagasikara mba hifaraka amin’ny filàna any amin’ny orinasa sy fiainana an-davan’andro! Na amin’ny lafiny «macroéconomie» na «microéconomie», izany hoe, ny lafiny rehetra amin’ny fampandrosoana ny toekarena dia manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana sy ny fampiofanana izany eto amin’ny firenena iray satria raha tiantsika ny handroso dia izay no hahafahana manana harinkarena lavidavitra kokoa ho an’ny taona lavitra. Mikasika ny olana ankapobeny ato amin’ny fitantanan-draharaha ato amin’ny fanabeazam-pirenena indray dia hita ho misedra olana be mihitsy io sehatra io. Ny olana voalohany matetika dia ny fitantanana raharaham-panjakàna izay tsy manana ny traikefa mifanaraka amin’izay matetika ny mpitantana. Izany dia miseho ato amin’ny fanabeazana. Ilaina, noho izany, ny fametrahana rafitra mazava amin’ny fitantanana ireo mpiara-belona na «ressources humaines». Rehefa mipetraka ny fahaizana mitantana arak’olona dia ireny no ahafahana mametraka ny fomba fiasa any ifotony na fiofanana sy stratejia miantraika amin’ny rantsa-mangaika ireny. Amin’izao fotoana iresahantsika izao nefa ny talen-tsekoly iray dia tsy mahafantatra hoe inona no ataony? Avy aiza ny baiko? Inona no toromarika arahina? Tsy mipetraka mazava izany. Eo koa ny fifanindriana andraikitra. Misy fitantanana mifanindry andraikitra, hany ka taraiky ny fitantanana satria mifampiandriandry. Ny mpitarika mihitsy koa no manao tari-bato vilam-bava. Ianao tokony ho maodely nefa ny fomba fanoratrao na fampitànao vaovao dia tsy ahitàna fanabeazana fa feno diso na diso tsipelina no hampitaina amin’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.