Fampianarana

Mpampianatra sy mpanabe Toy ny efa rangitina mihitsy


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Ny fanabeazana sy fampianarana no nolazain’ireo mpitondra nifandimby fa fanoitra ho an’ny fampandrosoam-pirenena. Tao anatin’ny 60 taona nahazoantsika repoblika anefa dia mbola tsikaritra hatrany fa nataon’izy ireo tsinontsinona hatrany ny mpampianatra sy mpanabe malagasy.

 Heverina fa tsy ho tongatonga ho azy ny fitraorana toy izay mitranga ankehitriny raha tsy noho ireny faniratsirana ny asa fanabeazana hatramin’izay ireny. Rariny ve raha mbola 90 ariary ihany hatramin’izao ny saram-pitsarana taratasim-panadinana 1 ? Ny tena nampitaraina sy nahatezitra ireo mpanabe hatramin’izay dia ny fahafantaran’izy ireo fa misy olona tsy dia miasa firy ary tsy nandia fianarana loatra noho izy ireo aza ny sasany kanefa dia mandray vola avo 2 na 3 na mihoatra lavitra heny amin’ny raisin’izy ireo no sady mbola voky kolikoly. Heverina noho izany fa tsy fialonana ny an’ireto mpanabe ireto raha mikomy toy izao fa fitrorana noho ny fahatsapana zara-miangatra. Misy rafitra sasany vao mitaky tonga dia mahazo avo 5 heny mihoatra noho ny angatahin’izy saingy ny an’ireo mpampianatra kosa raha tambin-karama 100.000 ariary no efa nangatahany aman-taonany dia mbola ampifilaina ihany fa hoe 25.000 ariary ihany aloha no hefa fa amin’ny taona 2020 vao azo ampiharina ny didim-panjakana hahazoana ilay tena « tokony ho izy ». Toy ny efa rangitina mihitsy ireo mpampianatra sy mpanabe ary hararaotina satria ve tsy manana hery hamoretana ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT