Fianarana

2,9% amin’ny Malagasy no mandia oniversite


  • Zoma 25 Jolay 2025

Vitsy loatra ireo olompirenena malagasy afaka mandia fianarana eny

amin’ny oniversite na anjerimanontolo, raha ny antotan’isa navoakan’ny UIS na ny sampan-draharaha misahana ny tarehimarika eo anivon’ny UNESCO, izay sampan-draharaha eo anivon’ny firenena mikambana. 2,9%n’ny sokajiana ho efa olon-dehibe, izany hoe, eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 64 taona no manana diplaoma «licence» no ho miakatra. Vokatr’izay dia tsy tafiditra ao anatin’ny fampilaharana ireo firenena azo heritreretina hahita fandrosoana amin’ny alalan’ireo manam-pahaizana ao aminy akory i Madagasikara na ny Visual capitalist izany. Ny manana ny taha ambany indrindra amin’ity fampilaharana ity ankehitriny tsinona dia i Romania, izay manana tahana nandia oniversite 18,6%. Voalaza ho antony tsy ahafahan’ny malagasy mampanohy ny zanany fianarana eny amin’ny anjerimanontolo moa ny resaka tsy fahatomombanana na tsy fisian’ny enti-manana amin’ny fampitaovana mihitsy vokatr’ireo olana maro atrehin’ny olompirenena, tahaka ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fahampian’ny fampitaovana na vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mpikaroka, izay efa sady matetika tara ihany koa moa ny fitsinjaràna izany. Eo ihany koa anefa ny tsy fahatomombanan’ireo fotodrafitrasa, izay efa tena tranainy sy tsy mifanaraka amin’ny fenitra na toetr’andro intsony, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT