Vitsy loatra ireo olompirenena malagasy afaka mandia fianarana eny
amin’ny oniversite na anjerimanontolo, raha ny antotan’isa navoakan’ny UIS na ny sampan-draharaha misahana ny tarehimarika eo anivon’ny UNESCO, izay sampan-draharaha eo anivon’ny firenena mikambana. 2,9%n’ny sokajiana ho efa olon-dehibe, izany hoe, eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 64 taona no manana diplaoma «licence» no ho miakatra. Vokatr’izay dia tsy tafiditra ao anatin’ny fampilaharana ireo firenena azo heritreretina hahita fandrosoana amin’ny alalan’ireo manam-pahaizana ao aminy akory i Madagasikara na ny Visual capitalist izany. Ny manana ny taha ambany indrindra amin’ity fampilaharana ity ankehitriny tsinona dia i Romania, izay manana tahana nandia oniversite 18,6%. Voalaza ho antony tsy ahafahan’ny malagasy mampanohy ny zanany fianarana eny amin’ny anjerimanontolo moa ny resaka tsy fahatomombanana na tsy fisian’ny enti-manana amin’ny fampitaovana mihitsy vokatr’ireo olana maro atrehin’ny olompirenena, tahaka ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fahampian’ny fampitaovana na vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mpikaroka, izay efa sady matetika tara ihany koa moa ny fitsinjaràna izany. Eo ihany koa anefa ny tsy fahatomombanan’ireo fotodrafitrasa, izay efa tena tranainy sy tsy mifanaraka amin’ny fenitra na toetr’andro intsony, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.