Zaranaina Christian

«Misy antony matoa


  • Zoma 05 Desambra 2025

firenena mandroso no tsy itomboan’ny VIH»

Olana be amin’ny ady amin’ny aretina VIH SIDA amin’izao fotoana izao, hoy ny mpitantana ny toeram-pikarohana, Fondation Chrétienne Zaranaina, Zaranaina Christian, ny fiarahan’ny amerikanina amin’ny fampiasàna fanafody. Nikisaka niala tamin’ny OMS niaraka tamin’ny amerikanina koa ny frantsay ny amin’ny fizaràna fanafody miady amin’ny VIH. Mila amafisina voalohany izany ny fanentanana ny olona. Tsy maintsy mitady vahaolana avy aty amintsika mihitsy koa isika. Tsy vitan’ny fisakanana ny fitomboan’ilay valanaretina na «virus» fotsiny io. Izay no antony nanaovanay fikarohana lehibe hanafoanana ny VIH. Misy antony matoa firenena mandroso be tahaka an’i Etazonia sy ny any Eoropa no tsy itomboan’ny VIH. Lafo dia lafo ilay fanafody. Tsy zakan’ny fahefà-mividintsika malagasy nefa azontsika atao tsara ny mampiasa io fanafody io amin’ny fomba faran’ny tsotra indrindra. Aleo isika mampiasa azy io mbola tsy voahodina. Efa vita «brevet» na nahazo fankatoavana hatramin’ny taona 1996 io voka-pikarohana io. Ny taona 2002 teo no efa voahodin’ny «industrie pharmaceutique» na indostria mpanao fanafody ngezabe io voka-pikarohana io. Any ivelany izy io ary mitondra ny anarana hoe «Antibiovir». Efa nidiana moa ilay «brevet» satria efa feno 25 taona. Ny dikan’izay dia hoe efa afaka ampiasain’ny olon-tsotra io na tsy tompony aza. Heveriko fa tokony efa hiditra hampiasa io voka-pikarohana niaingako io izany isika izao. Tsy misy olona mihitsy raha hisy fifanatonana amin’ny fanjakàna malagasy amin’ny fampiasàna izany satria sady manafoana ny valanaretina anatin’ny tena io no misakana ny fiampitàn’izany amin’olona. Ahafahana manafoana mihitsy na mampidina ny tahan’ny olona voan’ny VIH io izany, hoy hatrany ny fanazavàn’ity mpikaroka ity. Raha ny tarehimarika farany nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamàm-bahoaka nandritry ny fanamarihana ny andro iraisampirenena iadiana amin’ny VIH SIDA tamin’ity herinandro ity moa dia manodidina ny 90.000 amin’izao fotoana izao no isan’ireo malagasy mitondra ity otrikaretina ity ka ny 58.000 eo no mbola tsy nitily.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT