Isan’ny mampahantra

an’i Afrika ny bilarziôzy sy typhoïde


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

Nahavita dingana lehibe hiadiana amin’ireo i Madagasikara

Nandritra ny 15 taona no niara-niasa ny IVI (International Vaccine Institute) sy ny MIVR (Madagascar Institute for Vaccine Research) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy fihaonana lehibe teny Ankatso niarahan’ireo mpiara-miombon’antoka, nahitana ireo vahiny toy ny avy any Bhutan Firenena any Asia Atsimo tarihin’ny Minisitry ny Fahasalamana Tandin Wangchuk, maka lesona sy mifampizara traikefa amin’i Madagasikara noho isika efa ela niarahana niasa tamin’ny IVI. Notsipihin’ny Pr Rakotozandrindrainy Raphael, Lehiben’ny (voalohany fa, « Raha tiana handroso i Madagasikara sy Afrika dia ny fampianarana aloha, mila ampianarina ny ankizy, ka rehefa mahay dia lasa mpikaroka, lasa mpampianatra,… ». Ny fiaraha-miasa tamin’ny IVI dia Alema no nitarika azy teto voalohany, ary ny Vondrona Eoropeanina sy Bill Gates no mamatsy vola betsaka indrindra amin’ny ady amin’ny bilarziozy sy typhoïde, izay isan’ny mahazo antsika. Araka ny fanazavan’ny Pr Raphael, ny Bilharzioses na bilarziôzy sy typhoïde no aretina lehibe indrindra mampahantra an’i Afrika. Manodidina ny 700 tapitrisa no tratran’ny bilarziozy, nefa 200 tapitrisa mahery ihany no mahazo fitsaboana. Io aretina io dia manimba aty, tsinay, tongotra, ary mahatonga ny tantsaha tsy hahavokatra ka isan’ny manery an’i Madagasikara hanafatra vary. Ny typhoïde kosa dia mety hahafaty haingana noho ny fahasimban’ny tsinay sy ny fiparitahan’ny bakteria. Tamin’ny fotoanan’ny covid-19, ohatra dia tsy dia nandeha hopitaly ny olona, nisy tranga 20–30 trobaka tsinay, ny antsasany maty, kanefa efa aloan’ny tetikasa, aloanay ny vola hitsaboana ny fandidiana.

NISY NY DINGANA LEHIBE
Tamin’ny 2011 no nanomboka ny fikarohana momba ny typhoïde teto, nisy tetikasa 5 nifandimby. Ny taha dia 160 amin’ny 100 000 no voa, izay nanery ny tsy maintsy hikarohana sy hanaovana vaksiny. Nisy fifampiresahana tamin’ny Fanjakana tamin’ny 2019 momba ny fanaovana vaksiny, saingy nitarazoka. Ny Malagasy rehetra no noheverina hatao saingy 50 000 no natao vaksiny, ary 1 ihany no voan’ny aretina tao anatin’ny 2 taona, izany hoe voaaro ny 99,99%, raha ny fanazavan’ny Pr Rakotozandrindrainy Raphael hatrany. Ho an’ny bilarziozy, eto Madagasikara dia tena avo ny taha: any Ampefy 90%, any Amoron’i Mania 90% eo ihany koa, ary misy aza eto Antananarivo. Ny fikarohana vaksiny dia efa nanomboka hatramin’ny 1986, ary tonga tokoa ny vokatra taorian’ny 30 taona. I Madagasikara no nanandrana voalohany taorian’i Etazonia (Phase 1B), ary efa hiditra amin’ny Phase 2A. Isan’ny ateraky ny bilarziôzy ny : very ra sy hémoglobine ny marary, ka tsy ampy oxygène, malemy, tsy afaka mamokatra,... ka lasa manaiky vidiana amin’ny koveta, tsy mijery lavitra,… Noho izany dia natao ny fikarohana sy ny vaksiny. Teto Madagasikara, 120 no vita vaksiny niaraka tamin’i Burkina Faso izay nahomby tanteraka ny andrana, ary an-jatony amin’ny manaraka. Anatin’ny “essai clinique”, ka raha mahomby dia inoana fa afaka 5–10 taona dia tsy ho toy izao intsony i Madagasikara, mety ho isan’ny 100 voalohany fa tsy 150 farany, hoy io Pr Rakotozandrindrainy Raphael. Eo amin’ny sehatra manerantany, raha tsy misy sampona, afaka 3 taona dia olona an-tapitrisa no hampiasa vaksiny hiadiana amin’ny bilarziozy.

TOKONY HOMENA LANJA NY FAMPIANARANA SY NY FAHASALAMANA
« Izay Fanjakana mifandimby na iza na iza dia tokony manome lanja ny fampianarana, manome lanja ny fahasalamana satria ireo roa ireo rehefa mikambana ka tsara, dia lasa lavitra ny Firenena. Rehefa vizana ireo dia mifotetaka ny Firenena ka izany no mampahantra antsika ohatr’izao satria atao tsirambina ny fanomezana vola hahafahana mampianatra ny ankizy, ahafahan’ny mpampianatra mampianatra tsara, ary ahafahana manao fikarohana », hoy ny Pr Rakotozandrindrainy Raphael nanipika fa eo no ilàna Fanjakana tia vahoaka ary mahay ny maha zava-dehibe ny vaksiny sy ny fahasalamana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT