Dr Marius Ramaroson

«Tena mampitombo taham-pahafatesana ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny»


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Tena mampitombo karazana aretina na «morbidité» sy taham-pahafatesana na «mortalité»,

hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson, ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny. Raha ny tokony ho izy, hoy izy, dia efa noraisin’ny teo anivon’ny fitondram-panjakàna misahana ny ara-pahasalamana ny fepetra manoloana an’izay satria efa mba nisy ohatra izany fanambaran’i Libreville izany ny taona 2008. Nanasonia izany ny minisiteran’ny fahasalamana malagasy tamin’ny fotoan’andro. Ny OMS moa no nanao ilay fanambarana manoloana an’io fiovaovan’ny toetr’andro io. Hita tsinona fa mitombo manaraka an’izay ny taham-pahafatesana sy karazana aretina, indrindra, ho an’ny olona efa lehibe na osa sy ny zazakely. Inoako fa efa niomana amin’izany ny fitondrana malagasy satria tena olam-pirenena na «problème nationale» io fiparitahan’ny aretina noho ny fiovaovan’ny toetr’andro io. Raha ny lojika dia tokony efa nisy politika nifanaraka amin’izay. Amintsika miteny izao dia tokony hisy hoe izao no atao, izao no ampaham-bola amin’izay satria iaraha-mahalala fa rehefa misy ny rivo-doza dia be ny maty. Rehefa misy ny tondra-drano dia be ny maty. Noho ny toetr’andro daholo izany. Ohatran’izay koa ny aretina mandeha any amin’ny zazakely sy olon-dehibe. Lasa maina ilay olona rehefa miakatra ny hafanana. Ny hery fiarovan’ilay olona mihitsy izany no mihena sy mikorontana. Mafana be ilay andro dia lasa tsy ampy rano. Raha ny lojika dia tokony efa misy politikam-pirenena mifanaraka amin’izay. Lava be moa ny fanambaran’ny OMS izay nosoniavin’ny minisitra malagasy tamin’izany fotoana izany satria fantatry ny mpitondra sy OMS fa mamono olona ilay fiovaovan’ny toetr’andro. Mila tontolo iainana maha salama isika raha te ho salama tsara! Ilaina ny misotro rano rehefa mafana toy izao. Misy ny fahalotoan’ny rivotra sy ny tahaka an’izany dia mila manao arotava sy manasa tanana amin’ny rano sy savony matetika na ilay tsiranoka mamono mikraoba iny. «Gel désinfectant» moa no hahalalantsika azy. Fiarovana manaraka ny toetr’andro daholo ireny. Io aretin’ny fivalanana miparitaka amin’izao io dia matetika ny tanana maloto no mitondra azy. Miditra any am-bava ny avy amin’ny tanana maloto. Mikorontana ny toe-tenan’ilay olona ary isan’ny tafiditra daholo koa ny resaka fahasimban’ny sakafo sy ny tahaka izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT