Dr Fidy Bariniaina

«Ilaina ny manao fitiliana matetika hamantarana ny toe-batana»


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Tsy amin’ny firaisana ara-nofo ihany fa amin’ireo fitaovana ampiasaina misy rà, izany hoe amin’ny alalan’ny rà, i

hany koa no ifindràn’ny aretina Sida, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Ireny fitaovana ireny moa, hoy izy, amin’ny ankapobeny efa voadion’ny Dokotera foana fa ireny mitsindrona zava-mahadomelina dia mifampindra seraingy ireny no isan’ny mampifindra azy. Aretina misoko mangiana io satria tsy misy fambara ivelany mihitsy ny olona voany. Salama tsara izy fa avy eo ny hery fiarovan’ilay olona no simbainy tsikelikely dia rehefa tonga ny fe-potoana, eo amin’ny 6 volana hatramin’ny 10 taona mahery any mihitsy, ka miha simba ny hery fiarovan’ilay olona dia eo amin’izay vao mitranga ny antsoina hoe Sida. Olona mora marary satria tsy misy hery fiarovana. Mora mikohaka, mora marary kibo, reraka be, manavy, voan’ireny homamiadan’ny hoditra ireny, voan’ny raboka na «tuberculose» dia iny no mahafaty azy. Ny fiarovana izany dia ny fanajàna ny vady ao an-trano. Vady tokana no tsara indrindra. Ilaina ny manao fitiliana matetika hamantarana ny toe-batana hoe sao sanatria misy an’izany? Misy ny fanafody azo omena mba tsy hampirongatra an’ilay izy fa mba hijanona amin’iny toe-batana nahitàna azy iny ihany. Fiarovana ihany koa ny fananana fitaovana manokana ho anao tahaka ny seraingy, ohatra. Tonga dia ariana ireny rehefa avy ampiasaina. Toy izany koa ireny fiaratana na «rasoir» ireny. Atao amin’ny fomba medikaly na hoe «stérilisé», izany hoe ampangotrahana ny fitaovana vao ampiasaina. Any amin’ny Dokotera sy hopitaly izany efa tsy misy atahorana satria ny any efa nampangotrahana na «stérilisé» daholo. Ny Kolerà indray dia aretin-kibo, fivalanana. Mivalana rano be mihitsy ary reraka anaty fotoana fohy, indrindra, ny zazakely na olon-dehibe efa marefo. Aretina miditra amin’ny vava indray io ka ny fisorohana azy no dikan’izany dia zava-dehibe ny fahadiovana. Sasana tsara amin’ny rano sy savony ny tanana rehefa mikarakara sakafo, misakafo ary avy any amin’ny fivoahana. Ny rano sotroina rehetra tokony ho avy nampangotrahana. Ny sakafo manta rehetra tokony voadio tsara tamin’ny rano nampangotrahana. Tokony ho masaka tsara koa ny sakafo hohanina masaka. Manaraka ny diky indray avy eo ilay kolerà dia miparitaka eny rehetra eny. Isan’izany ny lavadrano, ny renirano, ny loharano, ny tanimbary dia iny indray izany no voasotrontsika. Mankaty amin’ny vavantsika dia izay no fivezivezin’ny Kolerà. Ilaina ny manao lavampiringa na WC no dikan’izany mba tsy ampiparitaka ny maloto, tsy ampiparitaka ny aretina Kolerà. Entanina hatrany moa ny fanatonana Dokotera fa azo sitranina tsara ny kolerà, hoy hatrany ity Dokotera mpitsabo ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT