Edito

Tsy vonon-kiova daholo


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Ny eo ihany no eo. Izay no azo hamehezana ny zava-misy iainan’ny firenena amin’izao fotoana izzao amin’ny lafiny rehetra.


Tsy mbola misy vonon-kiova aloha, raha ny fahitana azy, fa samy mamoritra izay eo ambany fahefany avokoa mba hahazoana tombotsoa mandalo sy mety hahakizo fara. Ny mpitondra manaiky ho eo ambany vahohon’ny vahiny ary dia mamoritra ny foloalindahy. Ny folohalindahy ihany koa ankehitriny dia omena baiko hamoritra ny fahefam-pitsarana. Ny samy vahoaka koa aza moa hita ho samy mifamoritra rehefa mahita fa malemy nohon’ny andaniny ny ankilany. Dia samy manao ory hava-manana eto isika mianakavy ka na dia efa samy ato anaty lavaka izao aza dia tsy manosika izay mitady ho tafavoaka fa ny misintona azy hidina hiverina ao anaty lavaka indray ary no hatao. Lany andro miodinkodina mifanohitohitra tsy misy tanjona indraidraindray no fahitana azy ary matetika mihitsy aza fa hatramin’izao dia mbola tsy fantatra mazava foana hoe inona no tanjona amin’ny hetsi-panoherana atao. Mahagaga ny mbola maheno olona miteny fa mbola tsy tena nisedra ny mafy ny Malagasy ka tsy afaka ny handroso. Inona daholo fotsiny izany ireny tamin’ny taona 1947, 1972, 2002, 2009 sy izay tsy voatanisa rehetra nandatsaka rana Malagasy an-tapitrisany ireny? Ny fahavononana hiova hifampitsinjo ho an’ny tombotsoa iombonana mihitsy no mbola tsy kolontsaina fa efa raiki-tapisaka loatra ny fifanambakana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT