Mbola tetikasa milevina!

Nalaza an-taonany maro ho


  • Talata 28 Aprily 2026

fasana tetikasa na «cimetière de projet»

ity Madagasikara ity. Efa hatramin’ny fitondràna Ratsiraka izany. Maro ireo atrikasa, fikaonandoha, voka-pikarohana, seminera, fampiofanana, fifamorivoriana tatsy sy taroa nandinihina, hono, ny hoe ahoana ny hanavotana izao firenena izao na ara-tsosialy na politika na toekarena. Ireo moa no tena hita ho matetika nifantohana fa tsindraindray no mba nisy nisaina izany hoe manao ahoana ny mikasika ny kolontsaina na sehatra hafa izany. Nisy minisitry ny kolontsaina nanana politika mazava mikasika izany tokoa ve, ohatra, tamin’ireo rehetra nandalo? Toy izany koa ny minisitry ny fanatanjahantena? Ny mikasika ny fizahantany, mbola tsy tratra ihany ve hatramin’izao ny mpizahantany miisa 500.000 isan-taona raha toa ka ny an-drizareo maorisianina aza efa nihoarany indray ilay 2.000.000 teo? Hatreto izany aloha dia azo lazaina hoe mbola tetikasa milevina hatramin’ny fikasàna tsara hanarina an’ity firenena ity! Ny filoham-panjakàna voatendry hisolo toerana ny filoham-pirenena nandositra io lasa ahiana isan’andro ny ainy. Iza no afaka hanome tsiny azy raha hifantoka amin’ny fiarovana ny ainy izy? Tokony ifanomezan-tsiny koa ve ny mety ho lasa fisiana tsy fahatomombanana ara-pitantanana samihafa manoloana ireo endrika tsy fahandriampahalemana isan-karazany miseho amin’izao fotoana izao? Iny izao dia nisy nandoro indray koa ny rovan’Ambohidratrimo. Tsy vao sambany nisy teto amin’ny firenena ny fisiana fahamaizana rova ary matetika fambara ratsy hatrany teto amin’ny firenena izany. Ankilany, ny tontolo iainana politika dia mbola mitovy tamin’ny hita tamin’ireo fotoana taloha tsy nampisondrotra ity firenena ity hatrany fa nampilentika azy aza. Sanatria ho tanteraka hatrany ihany koa ve izany ny fomba fiteny hoe fiverimberenana mandrakizay na «éternel recommencement». Hatreto, mbola tetikasa milevina izany aloha ny fanarenana marina an’i Madagasikara!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

Hijery ny tohiny
FTT