Vita iny ny adihevitra nifanatrehan’ireo kandida filoham-pirenena roa hiatrika ny fihodinana faharoa ny alarobia 19 desambra izao.
Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany e ! Hita taratra ny fahamatoran’ny tsirairay eo amin’ny vina hoentiny, fa ny zava-dehibe ankoatra izay, dia mbola mason-tsivana hafa ny lafin’ny tantara, izay nahakepoka ny anankiray. Te hisitri-belona sy te hikosoka ny tantara izany ny fihetsiny, ary tsy manan-kavaly teo anatrehan’ny fanontaniana manodidina ny fandrobana firenena notakotakonana tamin’ny hoe : nahavita nanangana na tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany sy tsy nankatoavin’izao tontolo izao. Tsy vitan’ny fieboeboana sy fizahozahoana ny fitantanana firenena, ary tsy vitan’ny fampanantenana sy « velirano » izay ny tena hevitr’io voambolana izao aza tsy voafehy! Izaho dia filoham-pirenena hanao izatsy na izaroa e! Tsy vao izao no nisian’ny fampanantenana sy fampanofinofisana, fa mila zavatra maty paika ny fanatanterahana azy satria ny valala tsy an-tànana tsy hatolo-jaza. Tsy mba menatra ny mandainga sy mamahan-dalitra lava. Ny filoha mendrika ny hitondra dia mahalala tsara ny hoe: inona no laharam-pahamehana ho an’ny vahoakany? Mahalala ny filany sy ny zavatra iainany, ny aty vilaniny,… fa tsy filoha hampanonofy azy, ka ny zavatra tsy mankaiza no ireharehana lava fa ny fiainan-dRamalagasy nitotongana. Ohatra iray horaisintsika ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana, izay isan’ny mampahory ny vahoaka. I Marc Ravalomanana dia mirona bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny olona miainga any ifotony, fanampiana azy hamokatra mba ho voky sy ho velona, fanomezana asa azy,… ankoatra ny fanampiana ara-pitaovana ny mpitandro filaminana. Ny ankilany kosa dia tsy takona hafenina ny fizorana any amin’ny kisehoseho ivelany, toy ny hoe: hividy angidim-by 10 e! fiara afaka mandeha amin’ny tendrombohitra sy ranomasina e! Mba azony sary an-tsaina ve fa na hahafaty dahalo 100 isan’andro aza izy rehefa tsy an’asa, tsy manan-kohanina, rehefa tsy mahazo fanabeazana, … dia hisy foana olon-dratsy. Mazava ireny hoe: iza no mpanao hevitra an-taingina tsy mahalala akory ny tena filan’ny firenena sy ny tena vonona hanarina indray an’i Madagasikara, hanangana fa tsy handrava. Ny hirariana dia hadio tsara ny fifidianana satria tsy takona hafeninina intsony teti-dratsin’ny mpamotika sy mpandrava firenena, izay mieritreritra ny mbola handroba amin’ny fomba mihaja an’i Madagasikara indray. Ny ratsy tsy kely làlana fa samia mailo sy mandray andraikitra e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.