Edito

Tsy mahantra intsony sa efa maty e !


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Tsaroan’ny maro tsara ilay kabary feno fanesoana sy miendrika fanompana ny vahoaka Malagasy nataon’ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha nandritra ilay fetibe nandatsana ny vavalalabemandry ny 5 janoary 2018 lasa teo.


 Sady ao anatin’ny fanombohan’ny loza tany Atsinanan’ny nosy no niliba sy nandany, saingy mbola sahy nilaza ihany, fa nihena ny fahantrana mahazo an-dRamalagasy. 92% ny tahan’ny fahantrana fony nandray ny fahefana aho, fa efa manodidina ny 70% sisa izany amin’izao fotoana izao, hoy ingahy Filoha. Aiza ho aiza izany izao ireo Malagasy manodidina ny 5 tapitrisa rehefa natao ny kajikajy, izay nambara fa tafavoaka tao anatin’ny gejan’ny fahantrana ireo ? Toa tonontononim-poana tahaka ilay hoe: “porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy” izy iny, ka tsy atao mahagaga intsony. Rehefa dinihina sy halalinina amin’ny zava-misy sy ny fahoriana tsy roa aman-tany iainan’ny valalabemandry, dia efa sambatra sy nandao ny tany tokoa angamba ireo 22% nambara fa afaka teo ambany vahohon’ny fahantrana. Mety tapitra angamba ny fijaliany sy fahoriana teto amin’ity Madagasikara nataon-janahary ho azy, saingy  tsy mba izy no nisitraka ny taniny sy ny hareny, fa mbola ny vahiny sy ny mpiray tanindrazana aminy vitsy an’isa efa maty eritreritra. Mba niady ho azy ihany ny razambeny, mba niezaka sy mety nisikim-ponitra ihany izy, saingy tsy hay na ny vintana no miangatra na ahoana? Raha tsy taitra sy tsy mihetsika amin’izao Ramalagasy efa tsy ho taitra sy hanaiky ho resy mandrakizay angamba.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT