Asa raha mba mahalala menatra ihany ireo mpanao politika Malagasy na ahoana fa ny mpandinika ety ivelany aloha dia efa mahatsapa fa tsy matotra izy ireo ary tena mbola voaziogan’ny fitiavan-tseza sy ny fitiavam-bola. Taorian’ny dinika santatra, ny fihaonambem-pirenena, ny fifanarahana politika, dia iny efa niaraha-nahita iny indray fa nitsefotra ilay fanaovana rangopohy tamin’ny sori-dalan’i Leonardo Simao. Tsaroana eto ny ady seza sy fifandrombahana ny rano sy ny sakafo teny Ivato tamin’ny fihaonambem-pirenena, nataon’ireo olona nambara fa handinika ny vahaolana hamoahana ny firenena amin’ny krizy.
Mbola nifandrombahana ihany koa ny fanaovana rangopohy, satria izay manao izany ihany no mahazo seza. Hita anefa izao fa mikatso indray ny toe-draharaha, ary tsy manaiky iny resaka iny ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy manohana ny governemanta hatsangan’i Camille Vital. Mbola aorian’ny 31 martsa izao vao hivoaka ny hevitry ny SADC aorian’ny fihaonan’ny Troika. Ka io fehin-kevitra hivoaka io no tsy maintsy hotohanan’ny vondrona iraisam-pirenena. Ny tena mahagaga ao anatin’ity raharaha ity dia mbola mamerina ny tsianjery nampianarina azy ihany ireo mpilalao politika ka milaza fa aoka izay, hono ny fifampidinihana fa efa asa amin’izay izao no atrehana. Mipetraka àry eto ny fanontaniana : asa inona, ataon’iza ary hitondra ny firenena mankaiza ? Tsy efa tamin’ny martsa 2009 ve no nilaza fa hiasa mafy sy haingana ny FAT nilaza fa mahavita azy ? Roa taona aty aoriana anefa, mbola mitoetra sy miha mafy hatrany ny krizy.
Tsy mba efa nahazo lesona tamin’ny fanovana governemanta in-dimy miantaona ve i Andry Rajoelina sy ny miara-dia aminy no mbola mamerina hatrany ny fahadisoany ? Raha ny fandehan-javatra amin’izao fotoana dia hita fa tsy maintsy hisy ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra sy ny lehibena vondrona politika hafa, satria izay no tena hoe fandraisan’anjaran’ny hery politika rehetra amin’ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana. Famonoan-tena ara-politika ary hampitombo ny tanjaky ny krizy ny fananganana governemanta, ka asa raha mba efa tonga saina ireo mpanao politika ny amin’izany na tsy te hahalala fa dia hiroso ihany na dia efa hita izao aza fa hivarina any an-kady. Mahalasa fisainana ihany raha tena mpitondra mitsinjo ny hoavy marina, na mpitondra manandranandrana ny FAT ka ny vahoaka sy ny fiainam-pirenena no ataony sorona amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.